3 Aza mampirehitra afo amin'ny andro Sabata any amin'izay rehetra itoeranareo.
4 Ary Mosesy niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:
5 Manalà ao aminareo fanatitra ho an'i Jehovah: izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an'i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,
6 ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon'osy
7 sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia,
8 sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
9 ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra.