10 Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.
11 Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin'ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin'ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.
12 Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.
13 Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin'ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.
14 Ary nanao ambainy koa tamin'ny volon'osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no nanaovany azy.
15 Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.
16 Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.