14 Ary nanao ambainy koa tamin'ny volon'osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no nanaovany azy.
15 Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.
16 Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.
17 Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo antsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.
18 Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.
19 Ary nanao rakotry ny lay tamin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
20 Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely izy.