19 Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin'ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa.
20 Ary ny tsimatra amin'ny tabernakely sy amin'ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
21 Ary izao no isan'ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin'ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin'i Mosesy; natao fanompoan'ny Levita, fehin'Itamara, zanak'i Arona mpisorona, ny nanisa azy.
22 Ary Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda, nanao izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
23 Ary ny namany dia Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.
24 Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masina, ny volamena rehetra izay lany tamin'ny asa rehetra tamin'ny fitoerana masina, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva.
25 Ary ny volafotsy avy tamin'ny olona izay voaisa tamin'ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masina: