1 Ary tamin'ny andro nanjakan'i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),
2 dia tamin'izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
3 tamin'ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an'ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben'ny miaramilan'i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin'ireo komandin'ny isan-tokony amin'ny fanjakany;
4 ary nasehony andro maro, dia valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahalehibiazany.
5 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan'ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin'ny kianjan'ny tanimbolin'ny tranon'ny mpanjaka;
6 ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin'ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin'ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin'ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty.
7 Ary ny olona dia nampisotroina tamin'ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary betsaka ny divain'andriana araka ny fanomen'ny mpanjaka.