1 Tamin'izany andro izany dia nomen'i Ahasoerosy mpanjaka ho an'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ny tranon'i Hamana, fahavalon'ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan'ny mpanjaka, fa efa voalazan'i Estera fa rainy izy
2 Ary nesorin'ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin'i Hamana, ka nomeny an'i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren'i Estera hanapaka ny tranon'i Hamana.
3 Dia niteny teo anatrehan'ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin'ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon'i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.
4 Ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan'ny mpanjaka