1 Ary izao no lohan'ny fianakaviana sy filazana ny firazanan'ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka:
2 Gersoma, avy tamin'ny taranak'i Finehasa; Daniela, avy tamin'ny taranak'Itamara; Hatosy, avy tamin'ny taranak'i Davida;
3 Zakaria, avy tamin'ny taranak'i Sekania (avy tamin'ny zanak'i Parosy), mbamin'ny namany dimam-Polo amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany;
4 Elihoenay, zanak'i Zerahia, avy tamin'ny taranak'i Pahata-moaba, mbamin'ny namany roan-jato lahy;
5 ny zanak'i Jahaziela, avy tamin'ny taranak'i Sekania, mbamin'ny namany telon-jato lahy;
6 Ebeda, zanak'i Jonatana, avy tamin'ny taranak'i Adina, mbamin'ny namany dimam-polo lahy;
7 Jesaia, zanak'i Atalia, avy tamin'ny taranak'i Elama, mbamin'ny namany fito-polo lahy;