8 Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin'i Jehovah Andriamanitray tamin'ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin'ny nanomezany anay fihantonana eo amin'ny fitoerany masina, mba hohazavain'Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin'ny fahandevozanay izahay.
9 Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin'Andriamanitray, na dia tamin'ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason'ireo mpanjakan'i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon'Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema.
10 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay amin'izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay,
11 dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan'ny tompon-tany sy ny fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany;
12 koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin'ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin'ny zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin'ny tany, dia hamela izany ho lovan'ny taranakareo mandrakizay.
13 Ary na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka, dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany,
14 fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin'ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory?