16 Ary notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin'ny lavenona aho.
17 Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
18 Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an'i Jehovah.
19 Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
20 Tsaroan'ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
21 Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
22 Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.