30 Aoka hanolotra ny takolany ho amin'izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
31 Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
32 Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben'ny famindram-pony.
33 Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak'olombelona.
34 Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin'ny tany ho eo ambanin'ny tongotra,
35 Ny familiana ny rariny amin'ny olona eo anatrehan'ny Avo Indrindra,
36 Ny famadihana ny adin'ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.