34 Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin'ny tany ho eo ambanin'ny tongotra,
35 Ny familiana ny rariny amin'ny olona eo anatrehan'ny Avo Indrindra,
36 Ny famadihana ny adin'ny olona, dia samy tsy sitraky ny Tompo.
37 Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian'ny Tompo?
38 Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no ivoahan'ny soa sy ny loza ?
39 Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy?
40 Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah.