38 Tsy avy amin'ny vavan'ny Avo Indrindra va no ivoahan'ny soa sy ny loza ?
39 Koa ahoana no imonomononan'ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin'ny fahotany avy?
40 Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin'i Jehovah.
41 Aoka hasandratsika amin'Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.
42 Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.
43 Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.
44 Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.