9 Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.
10 Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin'ny fierena;
11 Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
12 Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
13 Nampitsatoka ny zana-tsipìkany tamin'ny voako Izy.
14 Tonga fihomehezan'ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
15 Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.