3 Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
4 Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
5 Avy tamin'ireo no niavakavahan'ny nosin'ny firenena tany amin'ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin'ny fireneny avy.
6 Ary ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
7 Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana.
8 Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin'ny tany.
9 Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah, ka izany no nanaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Jehovah.