24 Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy.
25 Ary efa telo ambin'ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy.
26 Androtrizay indrindra no namorana an'i Abrahama sy Isimaela zanany;
27 ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin'izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.