3 Ary nangonina teo ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman'osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany.
4 Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.
5 Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin'i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.
6 Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman'osy.
7 Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby aman'ondry; ampisotroy ny ondry aman'osy, dia andeha, andraso.
8 Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman'osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman'osy izahay.
9 Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman'osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.