26 Ary izao no zanakalahin'i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana.
27 Ary izao no zanak'i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.
28 Ary izao no zanak'i Disana: Oza sy Arana.
29 Ary izao no loham-pirenena tamin'ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny
30 sy Disona loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin'ny tany Seïra.
31 Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely:
32 Nanjaka tany Edoma Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany.