1 Ary fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin'ny zananilahy: Nahoana no mifampijery foana ianareo ?
2 Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midina any ianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty.
3 Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin'i Josefa mba hividy vary tany Egypta.
4 Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy mba nampandehanin'i Jakoba niaraka tamin'ny rahalahiny; fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy.
5 Dia tonga ny zanak'Isiraely mba hividy vary niaraka tamin'izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana.
6 Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin'ny tompon-tany rehetra; ary tonga ny rahalahin'i Josefa ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany.
7 Ary hitan'i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza ianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin'ny tany Kanana izahay mba hividy hanina.