9 Izaho no hiantoka azy; amin'ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra hiainako aho;
10 fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.
11 Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin'ny tany ka ataovy ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia ento midina haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala;
12 ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.
13 Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy;
14 ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.
15 Dia nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i Josefa.