1 Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy.
2 Ary nisy nilaza tamin'i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etỳ aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin'ny farafara.
3 Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin'ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe:
4 Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay.
5 Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatỳ amin'ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatỳ aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an'i Robena sy Simeona.
6 Fa ny zanakao izay haterakao aorian'izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an'ny rahalahiny eo amin'ny zara-taniny.
7 Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin'ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany).