17 Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin'ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.
18 Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!
19 GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.
20 ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian'ny hanim-pin'andriana.
21 NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.
22 JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
23 Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;