1 Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan'i Habakoka mpaminany.
2 Jehovah ô, indrisy ny hahelan'ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany.
3 Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.
4 Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan'ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan'ny fitsarana miangatra .
5 Jereo any amin'ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin'ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.