2 Hampialany ny mahantra amin'ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin'izay ory eo amin'ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty!
3 Ary ahoana no hataonareo amin'ny andro famaliana sy amin'ny fandravana izay avy amin'ny lavitra? Ho any amin'iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?
4 Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin'ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin'ny voavono. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
5 Endrey! ry Asyria, tsorakazon'ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
6 Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan'ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
7 Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin'ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
8 Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?