4 Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin'ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin'ny voavono. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
5 Endrey! ry Asyria, tsorakazon'ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
6 Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan'ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.
7 Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin'ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
8 Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny?
9 Tsy tahaka an'i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an'i Damaskosy va Samaria ?
10 Tahaka ny nahatraran'ny tanako ny fanjakan'ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an'i Jerosalema sy ny an'i Samaria aza ny sampin'ireo,