13 Ary hitsahatra ny fialonan'i Efraima, ary hofongorana ny fandrafiana an'i Joda: Efraima tsy hialona an'i Joda, Ary Joda tsy handrafy an'i Efraima.
14 Fa hipaoka ny tanin'ny Filistina any andrefana ireo sy hiara-mamabo ny zanaky ny atsinanana; amin'i Edoma sy Moaba no haninjirany ny tanany, ary ny taranak'i Amona hanoa azy.
15 Ary Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin'ny ony ka hamely azy amin'ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.
16 Ary hisy lalana voavoatra halehan'ny olony sisa, izay sisa avy any Asyria, dia toy ny ho an'ny Isiraely tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.