1 Atero ny zanak'ondrin'ny mpanapaka ny tany, dia miala an'i Sela ka mamaky ny efitra hatramin'ny tendrombohitr'i Ziona zanakavavy.
2 Ary tahaka ny vorona notairina niala tamin'ny akaniny ka mirenireny foana, dia ho toy izany ny zanakavavin'i Moaba ao amin'ny fitàna any Arnona.
3 Manolora saina, manomeza rariny ataovy tahaka ny alina ny alokao, na dia amin'ilay andro mitataovovonana iny aza; Afeno izay voaroaka, Ary aza aseho izay mandositra!
4 Aoka hitoetra ao aminao izay oloko voaroaka; Ary aoka ho fieren'i Moaba ianao, mba tsy ho azon'ny mpandringana izy; Fa tsy misy intsony ny mpampahory, tapitra ny loza, tsy misy amin'ny tany intsony ny mpanosihosy.
5 Ary hisy seza fiandrianana hampitoerina amin'ny famindram-po, ka hisy hipetraka eo aminy amin'ny fahamarinana ao an-dain'i Davida, ary hitsara sy handinika izay marina izy, sady ho faingam-pamoaka ny rariny.
6 Efa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fihoa-bavany ary ny fibedibediny foana.