1 Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko, mba hanampy ota amin'ny ota,
2 Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin'ny vavako, handositra ho any amin'ny fiarovana mafin'i Farao sy hialokaloka ao amin'ny alokalok'i Egypta.
3 Kanjo ho tonga henatra ho azy ny fiarovana mafin'i Farao, ary ho fanalam-baraka azy ny fialokalofany ao amin'ny alokalok'i Egypta.
4 Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.