1 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
2 Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an-dRabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony izy, teo an-dalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba.
3 Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.
4 Dia hoy Rabsake tamin'ireo: Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria: Inona moa izato itokianao?
5 Hoy izaho: Teny foana ny hoe: Manana saina sy hery hiady aho. Fa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?