15 Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.
16 Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.
17 Tamy faingana ny zanakao; Ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao.
18 Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao; raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka sy hiravahanao tahaka ny fanaon'ny ampakarina.
19 Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin'izany noho ny habetsahan'ny mponina, ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.
20 Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.
21 Dia hanao anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?