13 Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main'ny hetaheta.
14 Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita Hanao teli-moka an'i Jerosalema; Ary any no hivarinan'ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin'izay mifalifaly ao aminy;
15 Ary ny zanak'olombelona dia hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary ny mason'ny miandranandrana dia haidina.
16 Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no hisandratra amin'ny fitsarana, Ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin'ny fahamarinana.
17 Ary ny zanak'ondry hikania toy ny eny amin'ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan'ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
18 Lozan'izay mitari-keloka amin'ny kofehin'ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin'ny mahazakan-tsariety,
19 Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain'ny Iray Masin'ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!