2 Dia nambara tamin'ny taranak'i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin'ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon'ny vahoakany toy ny firondronan'ny hazo any an'ala, raha asian'ny rivotra.
3 Ary hoy Jehovah tamin'Isaia: Mivoaha ianao sy Seara-jasoba zanakao hitsena an'i Ahaza eo amin'ny faran'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, eo amin'ny lalambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba,
4 ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak'i Remalia.
5 Satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima ary ny zanak'i Remalia ka nanao hoe:
6 Andeha isika hananika an'i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy Ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak'i Tabeala ho mpanjaka ao afovoany,
7 Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, Ary tsy hisy izany;
8 Fa ny lohan'i Syria dia Damaskosy, Ary ny lohan'i Damaskosy dia Rezina (Ary ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona dia ho rava ny Efraima ka tsy ho vanon-ko firenena intsony),