1 Henoy ny teny izay lazain'i Jehovah aminareo, ry taranak'Isiraely!
2 Izao no lazain'i Jehovah: Aza mianatra ny fanaon'ny jentilisa; Ary aza matahotra ireo famantarana eny amin'ny lanitra; Fa ny jentilisa no matahotra izany.
3 Fa ny fanaon'ny firenena dia zava-poana; Fa hazo nokapaina tany an'ala ireny, dia asan-tànan'ny mpiasa amin'ny famaky;
4 Volafotsy sy volamena no an-dravahany azy, ary hombo sy tantanana no entiny manamafy azy, mba tsy hihetsiketehany.