4 Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy.
5 Ka dia nandeha aho, ary nafeniko tao amoron'i Eofrata izy, araka ny nandidian'i Jehovah ahy.
6 Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangana, ka mankanesa any Eofrata, ary alao any ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany.
7 Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko tao amin'ny fitoerana nanafenako azy ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony.
8 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
9 Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon'ny Joda sy ny haben'ny avonavon'i Jerosalema.
10 Ity firenena ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin'ny ditry ny fony ka manaraka andriamani-kafa mba hotompoiny sy hiankohofany, dia ho tahaka ity fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony.