1 Ny fahotan'ny Joda dia voasoratra tamin'ny fanoratana sy tamin'ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin'ny vato fisaka sy eo amin'ny tandroky ny alitarany izany,
2 Dia amin'izay hahatsiarovan'ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin'ny hazo maitso, ambonin'ny havoana andrandraina.
3 Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin'ny faritaninao rehetra.
4 Ary avy amin'ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon'ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.
5 Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony.