1 Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak'i Karea, sy Jazania, zanak'i Hosaia, mbamin'ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona
2 ka niteny tamin'i Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin'i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan'ny masonao izao),
3 mba hambaran'i Jehovah Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.
4 Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin'i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin'i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko.
5 Dia hoy izy tamin'i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan'i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay.