28 Ry mponina any Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin'ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ am-pitan'ny hantsana ianao.
29 Ffa renay ny fiavonavonan'i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon'ny fony.
30 Izaho mahalala ny fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.
31 Koa hidradradradra noho ny amin'i Moaba aho; Eny, hitomany noho ny amin'i Moaba rehetra aho, ary hitsetra noho ny amin'ny mponina ao Kira-haresa ny olona.
32 Mihoatra noho ny fitomanian'i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok'i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin'ny ranomasin'i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.
33 Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin'ny saha nahavokatra sy tamin'ny tany Moaba, ary nataoko tankina ny divay tamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy hihoby amin'ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.
34 Ny fitarainan'i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia; Fa na dia ny ranon'i Nimrima aza dia ho ritra koa.