1 Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran'ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy.
2 Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no mahahery azy etỳ ambonin'ny tany; Fa mandroso amin'ny ratsy ka hatramin'ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah.
3 Samia miaro tena amin'ny namany avy ianareo. Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza; Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy.
4 Izy rehetra samy mamitaka ny namany avy, ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa-tena amin'ny fanaovan-dratsy.
5 Ny fonenanao dia ao anatin'ny fitaka; Fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy Jehovah.