9 Efa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah.
10 Mariry ny saha, misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena ny diloilo.
11 Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpamboatra tanim-boaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; Fa majifa ny vokatry ny saha;
12 Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo koa ny ampongaben-danitra sy ny rofia ary ny poma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; Eny, malazo ny fifalian'ny zanak'olombelona.
13 Misikina sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin'ny alitara; Andeha mandry amin'ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.
14 Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin'i Jehovah.
15 Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.