2 Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin'i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,
3 fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an'ny amboadia any an-efitra.
4 Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin'ny faharatsiana, dia firenena tezeran'i Jehovah mandrakizay, ireo.
5 Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin'ny Isiraely.
6 Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon'ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako. nefa manao hoe: Amin'inona no anamavoanay ny anaranao?
7 Amin'ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin'ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin'inona no andotoanay Anao ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr'i Jehovah dia fanazimbazimba.
8 Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho an'ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon'ny maro.