14 Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin'ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.
15 Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany ? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany.
16 Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.
17 Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana ?