9 Ary amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia haringako tsy ho eo aminao intsony ny soavalinao, Ary hofonganiko ny kalesinao,
10 Hofoanako ny tanàna amin'ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;
11 Hofoanako tsy hisy amin'ny tananao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.
12 Hofoanako tsy hisy aminao koa ny sampinao voasokitra Sy ny tsangam-baton-tsampinao; Ary tsy hiankohoka eo anatrehan'ny asan'ny tananao intsony ianao.
13 Hongotako tsy ho eo aminao ny Aserahanao; Ary horavako koa ny tanànanao.
14 Ary ny fahatezerana sy ny fahavinirana no hamaliako ny firenena izay tsy mihaino.