1 Ary taorian'i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak'i Dodo, lehilahy avy tamin'ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin'ny tany havoan'i Efraima izy.
2 Ary nitsara ny Isiraely telo amby roa-polo taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.
3 Ary nitsangana nandimby azy Jaïra Gileadita ka nitsara ny Isiraely roa amby roa-polo taona.
4 Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin'ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra mandraka androany ireo.