1 Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, ka dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Filistina efa-polo taona izy.
2 Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin'ny fokon'ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.
3 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy.
4 Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.