Nehemia 10:34-39 MG1865

34 dia ho amin'ny mofo aseho sy ny fanatitra hohanina mandrakariva sy ny fanatitra dorana mandrakariva, ary ho amin'ny Sabata sy ny voaloham-bolana sy ny fotoam-pivavahana, ary ho amin'ny zava-masina sy ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an'ny Isiraely, dia hanaovana ny raharaha rehetra momba ny tranon'Andriamanitsika.

35 Ary nanao filokana izahay ny amin'ny hanateran'ny mpisorona sy ny Levita sy ny olona ny kitay hazo, hitondranay azy ho ao an-tranon'Andriamanitra araka ny fianakavianay avy amin'ny fotoan'andro isan-taona, handoroana eo ambonin'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitsika araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna,

36 ary mba hitondranay ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny hazo mamoa rehetra ho ao an-tranon'i Jehovah isan-taona isan-taona;

37 ary ny lahimatoanay sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna, ary ny voalohan-teraky ny ombinay sy ny ondry aman'osinay dia nekenay hohentina ho an-tranon'i Jehovah Andriamanitsika, ho an'ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitsika;

38 ary mba hitondranay ho an'ny mpisorona koa ny voalohan'ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin'ny efi-trano ao an-tranon'Andriamanitsika, ary ny ampahafolon'ny vokatry ny taninay ho an'ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin'ny fambolenay.

39 Ary hisy mpisorona anankiray, taranak'i Arona, hiaraka amin'ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon'ny fahafolon-karena dia ho entin'ny Levita miakatra ho ao an-tranon'Andriamanitsika, ho ao amin'ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra. Fa ho ao amin'ireo efi-trano ireo no hitondran'ny Zanak'Isiraely sy ny Levita ny fanatitra asandratra, dia vary sy ranom-boaloboka ary diloilo, dia ho ao amin'ilay itoeran'ny fanaky ny fitoerana masina sy ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana sy ny mpiandry varavarana ary ny mpihira; ary tsy hahafoy ny tranon'Andriamanitsika izahay.