10 ny taranak'i Ara dia roa amby dimam-polo amby enin-jato;
11 ny taranak'i Pahatamoaba, dia avy tamin'ny zanak'i Jesoa sy Joaba, dia valo ambin'ny folo amby valon-jato sy roa arivo;
12 ny taranak'i Elama dia efatra amby dimam-polo amby roan-jato sy arivo;
13 ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato;
14 ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
15 ny taranak'i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato;
16 ny taranak'i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato;