13 ny taranak'i Zato dia dimy amby efa-polo amby valon-jato;
14 ny taranak'i Zakay dia enim-polo amby fiton-jato;
15 ny taranak'i Binoy dia valo amby efa-polo amby enin-jato;
16 ny taranak'i Bebay dia valo amby roa-polo amby enin-jato;
17 ny taranak'Azgada dia roa amby roa-polo amby telon-jato amby roa arivo;
18 ny zanak'i Adonikama dia fito amby enim-polo amby enin-jato;
19 ny taranak'i Bigvay dia fito amby enim-polo sy roa arivo;