40 ny taranak'Imera, dia roa amby dimam-polo amby arivo;
41 ny taranak'i Pasora dia fito amby efa-polo amby roan-jato sy arivo;
42 ny taranak'i Harima dia fito ambin'ny folo sy arivo.
43 Ary ny Levita koa dia izao: Ny zanak'i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin'ny zanak'i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
44 Ary ny mpihira koa dia izao: Ny taranak'i Asafa dia valo amby efa-polo amby zato.
45 Ary ny mpiandry varavarana koa dia izao: Ny taranak'i Saloma, ny taranak'i Atera, ny taranak'i Talmona, ny taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay, dia valo amby telo-polo amby zato.
46 Ary ny Netinima koa dia izao: Ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,