43 izay voalamina avy tamin'ny firenen'i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina.
44 Ireo no voalamin'i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin'ny folo lahy lehibe amin'ny Isiraely, izay samy lohan'ny fianakaviany avy.
45 Ary izay rehetra avy tamin'ny Zanak'Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin'ny Isiraely,
46 dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy.
47 Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan'ireo.
48 Fa Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
49 Ny firenen'ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin'ny Zanak'Isiraely;