27 Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy, dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota.
28 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan'i Jehovah, ka dia havela ny helony.
29 Lalàna iray ihany no hatao amin'izay manota tsy nahy, na amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny vahiny eo aminareo.
30 Fa ny olona izay manota sahisahy kosa, na tompon-tany, na vahiny, dia manamavo an'i Jehovah, ka dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
31 Fa ny tenin'i Jehovah no nohamavoiny, ary ny lalàny no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ny helony dia ho aminy ihany.
32 Ary raha tany an-efitra ny Zanak'Isiraely, dia nahita lehilahy anankiray nanangona kitay hazo tamin'ny andro Sabata.
33 Ary izay nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin'i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra.