1 Ary hoy Jehovah tamin'i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.
2 Ary ny rahalahinao avy amin'ny firenen'i Levy izay firenen'ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan'ny trano-lain'ny Vavolombelona.
3 Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa.
4 Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo.